Fandraisana > Kitikitika > mpampiasa
login

© 2007 Linux Malagasy

Lisitry ny mpampiasa  

 Fahazoana ny lisitry ny mpampiasa sy ireo vondro-mpampiasa @ Linux :

  • mpampiasa 

 


 rado@linux ~ $ getent passwd


  • vondrona mpampiasa


 rado@linux ~ $ getent group



Fanazavana fanampiny


Amin'ny Unix rehetra dia maro ireo fomba azo hitehirizana ny momba ny mpampiasa.

  • /etc/passwd, /etc/shadow, /etc/group sy ny mitovy amin'ireo araky ny Unix

  • LDAP

  • NIS

  • Mpizara SGBD (MySQL, PostgreSQL)

Ny baiko getent ho an'ny Linux no ahitana ny momba ny mpampaisa sy ny momba azy rehefa mitahiry mpampiasa @ ireo fomba  voatanisa ambony ireo

 

Baiko getent @ ankapobeny

Tsy ny mpampiasa sy ny vondrona mampiasa ihany no ahazoana mampiasa ny baiko getent fa misy an'ireto votanisa manaraka ireto :

  • ahosts
  • ahostsv4
  • ahostsv6
  • aliases
  • ethers
  • group
  • hosts
  • netgroup
  • networks
  • passwd
  • protocols
  • rpc
  • services
  • shadow
Ity baiko ity avy amin'ny glibc.

Farany dia jereo ny rakitra /etc/nsswitch.conf fa ahitana ny fomba fitehirizana ireo zavatra voalaza teo ambony ireo.

 



Rado Ramarotafika