Inona moa k3b
k3b dia kirakira "frontend" fanoratana CD/DVD izay mampiasa : cdrecord, cdrdao,mkisofs ... sns ... .k3b dia mila qt ihany koa.
Fametrahana k3b
Tsy tokony hametraka olana ny fametrahana an’i k3b. Ampiasao ny fonosan-tahiry avy @ "distribution" ampiasainao na tsidiho ny takila fangalana an’ny k3b. Mampiasa apt/urpmi/yum/emerge arakaraky ny distribution.
kernel
Ny distribution Linux dia efa tokony nanamboatra izay voalaza eto momba ny kernel.
kernel 2.4.x
Ny tsy maintsy atao , raha mbola mampiasa kernel 2.4.x dia ny "�ulation scsi" ho an’ny mpanoratra CDROM/DVD "ide". Io "�ulation" io dia safidy atao mandritra ny fanaovana ny "compilation kernel". Ilaina hanao io "�ulation" io izany ireo mpamaky sy mpanoratra CDROM/DVD. Tontosa izany @ alalan’ny fampidirana ny safidy "ide-scsi" eo @ "boot manager".
Ohatra @ milina ampiasaiko eto; hdc sy hdc ny mpamaky/mpanoratra CDROM/DVD: toy izao izany ny safidy ilaina apetraka: hdc=ide-scsi hdd=ide-scsi
image=/boot/vmlinuz
label="linux"
root=/dev/hda5
initrd=/boot/initrd.img
append="hdd=ide-scsi hdc=ide-scsi"
vga=788
read-only
kernel (hd0,0)/vmlinuz root=/dev/hda5 hdd=ide-scsi hdc=ide-scsi
Efa nisy lahatsoratra mikasika an’ity nivoaka teto.
Toy izao ny fanamarinana mikasika ny fahafahan'ny cdrecord mahita ny mpanoratra CD:
[rado@linux rado]$ cdrecord -scanbus
Cdrecord-Clone 2.01a27-dvd (i686-pc-linux-gnu) Copyright (C) 1995-2004 J�g Schilling
Linux sg driver version: 3.5.30
scsibus0:
0,0,0 0) 'PLEXTOR ' 'CD-R PX-W4824A' '1.00' Removable CD-ROM
0,1,0 1) *
0,2,0 2) *
0,3,0 3) *
0,4,0 4) *
0,5,0 5) *
0,6,0 6) *
0,7,0 7) *
scsibus1:
1,0,0 100) ' ' 'BDV316B ' 'H1.0' Removable CD-ROM
1,1,0 101) *
1,2,0 102) *
1,3,0 103) *
1,4,0 104) *
1,5,0 105) *
1,6,0 106) *
1,7,0 107) *
Izany hoe raha mampiasa cdrecord izany dia toy izao ny baiko atao:
cdrecord -dev=0,0,0 ....
kernel 2.6.x
Anisan’ny zava-baovao nentin’ny kernel 2.6.x ny tsy ilaina ny hanaovana "�ulation scsi" intsony ireo mpanoratra CDROM/DVD "ide". Tandremo fa mila kinasa vaovao an’ny cdrecord vao afaka mampiasa ny "dev=ATAPI", raha tsy izany dia afaka mampiasa ihany koa ny "�ulation ide-scsi".
[root@linux root]# cdrecord -scanbus -dev=ATAPI
Cdrecord-Clone 2.01a27-dvd (i686-pc-linux-gnu) Copyright (C) 1995-2004 J�g Schilling
scsidev: 'ATAPI'
devname: 'ATAPI'
scsibus: -2 target: -2 lu<n: -2
Warning: Using ATA Packet interface.
Warning: The related libscg interface code is in pre alpha.
Warning: There may be fatal problems.
Using libscg version 'schily-0.8'.
scsibus0:
0,0,0 0) 'PLEXTOR ' 'CD-R PX-W4824A' '1.00' Removable CD-ROM
0,1,0 1) ' ' 'BDV316B ' 'H1.0' Removable CD-ROM
0,2,0 2) *
0,3,0 3) *
0,4,0 4) *
0,5,0 5) *
0,6,0 6) *
0,7,0 7) *
k3bsetup: Famaritana ny fiasan’ny k3b
Alefaso k3bsetup, ary araho ireto voasoratra eto ambany:
Famaritana ny fiasany
 k3bsetup
 k3b - configuration avanc�
momba ny feo
 k3b - momba ny feo
samihafa
 k3b - samihafa
Rehefa vita ny famaritana dia azo ampiasaina avy hatrany k3b. Ireto ambany ireto dia sary notsongaina avy @ fampiasana azy.
Endrik’i k3b
 k3b
Famafana CDRW
- Outils > CD > Effacer un CD-RW
 k3b - famafana cdrw 01
- Fidio ny "Graveur", hafainganam-pandeha, ny kirakira hamafana ny CDRW (cdrecord na cdrdao)
 k3b - famafana CDRW 02
 k3b - famafana CDRW 03
Fiantson’ny k3b an’ny cdrecord mandridra ny fanoratana/famafana CD:
ps awwuxf |grep cdrecord
18154 rado /usr/bin/cdrecord -v gracetime=2 dev=/dev/ide/host0/bus1/target0/lun0/cd -tao -eject blank=all -force
fanehoana directory
 k3b - fanehoana ny dossier
fibatana rakitra "drag and drop"
 k3b - drag and drop
fampitandrema ny @ haben’ny CD
 k3b - fampitandrema @ haben’ny CD
famafana rakitra
 k3b - famafana tahiry
Hitantsika @ izao ary fa tsy sarotra mankaiza akory ny fampiasana mpanoratra CD @ Linux/Unix miaraka @ k3b.
Vaovao faramparany
Araky hita ao @ takila www.k3b.org dia misy olana ny fampiasana k3b miaraka @ kernel 2.6.8. Mampias�kernel hafa.
|