|
Ny ankamaroan’ny milina mivoaka amin’izao fotoana izao dia manana mpamaky sy mpanoratra CDROM avokoa.
Hizara 2 ny lahatsoratra:
mpamaky sy mpanoratra CDROM IDE
mpamaky sy mpanoratra CDROM SCSI
Ny zavatra rehetra atao rehetra eto dia tsy maintsy ataon’ny root.
Mpamaky sy mpanoratra CDROM IDE
Ny logiciel [software] izay manoratra amin’ny CDROM dia tsy afaka miasa raha tsy mipetraka amin’ny SCSI ny mpanoratra CDROM. Noho izany dia mila manao "�ulation IDE-SCSI" izany isika. Manao ity "�ulation" ity no asan’ny driver ASPI izay entin’ny logiciel amin’ny milina MS Window.
Fanaovana "�ulation IDE-SCSI"
Zavatra ilaina
Mila ny module ide-scsi isika. Amin’izao fotoana izao ny kernel [noyau] any anatin’ny Distribution Linux dia efa misy an’io avokoa. Raha tsy izany dia mila miverina manao compilation ny kernel miaraka amin’ny module ide-scsi.Ho hitanao amin’ny manaraka ny fomba fanaovana compilation kernel. Ny Distribution sasany ihany koa dia manao ny tetika hazavaiana eto mandritra ny fametrahana Linux.
Hamarino ary fa ny kernel ampiasainao dia misy ny module ide-scsi. Marobe no fomba azo atao saingy tsy ho tanisaina eto avokoa. Ohatra iray ihany no omena.
Menu K na Gnome >> Recherche de Fichier


Hita eo amin’ny sary fa misy ny module ide-scsi.
Ireo dingana atao
Fametraha ny modules: /etc/modules.conf
Sokafy ny tahiry /etc/modules.conf ary ampio an’ity an-dalana ity:
alias scsi_hostadapter ide-scsi
Fanovana ny boot manager: Lilo na GRUB
Raha lilo no ampiasaina dia
- ovay ny tahiry /etc/lilo.conf ary ampio ny hoe
append="hdc=ide-scsi hdd=ide-sci" ao amin’ny sokajy "image" tahaka ny hita eo amin’ny sary .
- Manokafa console iray ary soraty ao
lilo -v, tsindrio "enter" avy eo
Raha grub no ampiasaina dia sokafy ny /boot/grub/menu.lst ary ampio hoe hdc=ide-scsi hdd=ide-sci
Fanamarihana lehibe:ahoana no ahalalana ny hda, hdb, hdc na hdd? - hda = primary master
- hdb = primary slave
- hdc= secondary master
- hdd= secondary slave
"Reboot"
Fanovana ny "filesystem table": /etc/fstab
Ankehitriny dia efa azo raisina ho "SCSI" ireo mpanoratra sy mpamaky CDROM. Noho izany dia ilaina ovaina ny /etc/fstab izay mitahiry ny fifandraisana eo amin’ny "mount point" [point de montage] sy ny adiresy fizika. Ny "device" misy ny SCSI dia /dev/scdX. X eto dia tarehi-marika. Ny fomba ahitana ny "device" dia toy izao:
manokafa "console"
soraty ny: dmesg |grep scsi
valiny: sr0: scsi3-mmc drive: 32x/32x writer cd/rw xa/form2 cdda tray
sr1: scsi3-mmc drive: 0x/0x cd/rw xa/form2 cdda tray

Ny tena zava-dehibe eto dia ny sr0 sy ny sr1. Ny sr0 dia midika fa ny mpanoratra CDROM (writer cd/rw) no eo amin’ny "scsi" voalohany, manaraka izany ny mpamaky CDROM izay sr1. Izany hoe: ny mpanoratra CDROM izany dia /dev/scd0 ary /dev/scd1 kosa ny mpamaky.
Arak’ireo zavatra ireo dia toy izao izany ny endriky ny /etc/fstab:

Ny zavatra farany mila oviana dia ireo "raccourci" rehetra izay mety efa natao mikasika ny mpanoratra na mpamaky CDROM talohan’ny fanovana.
Manomboka izao dia hitan’ny "soft" mpanoratra amin’ny CDROM daholo na ny mpamaky na ny mpanoratra CDROM.
|