Sokajin-dahatsoratra
o Tonony tsara ny hoe "Linux"
o Logiciel Libre
o Loharano
o Boky, Magazine
o Linux & Industrie
o Madagasikara
o Tantaran'i Linux
o Distribution
o Hardware
o Software
o Office
o X-Window

Rohy samihafa
/
http://www.amul.mg/
http://www.linuxfr.org/
Distribution::Gentoo Linux

Mitovy sokajy
Solaris lasa OpenSolaris
Safidy Distribution Linux

Nalefan'i Rado tamin'ny 15 novembre 2004

Nivoaka izao ny Distribution Gentoo Linux 2004.3. Gentoo Linux dia mampikambana ny Unix System V sy ny rafitra "Ports" avy @ ny *BSD. Ny kernel ampiasaina dia mazava ho azy fa ny kernel Linux.

Gentoo Linux

Gentoo Linux dia Distribution afaka apetraka avy @:
-  source
-  fonosana efa compil�/p>

Fahadisoan-kevitra ny fieritreretana fa raha mampiasa Gentoo Linux dia tsy maintsy manao compilation. Azo atao ny mampiasa ny fonosana efa compil�na manao compilation avy @ source.

Izy dia miodina @ milina:
-  x86: 32 bit sy 64 bit (AMD64)
-  ppc
-  sparc

Gentoo Linux dia mamoaka kinasa in-3 isa-taona. Ny anaran’ny kinasa dia tahaka izao: taona.filaharana (oh: Gentoo Linux 2004.1, ny kinasa voalohany @ taona 2004; Gentoo Linux 2004.3, ny kinsasa fahatelo @ taona 2004)

Fitantanana fonosana

Gentoo Linux dia manana ny fitantanana fonosana ho azy manokana izay mifototra @ "portage".

Ny fonosana ampiasain’ny portage dia misy anankiroa miavaka tsara: ny rakitra .ebuild izay mazan�ao @ /usr/portage izay milaza @ an-tsimpirihany ny momba ny kirakira (ny source, ny kirakira hiankinany, ny saina USE azony ampiasaina [jereo eto ambany], ireo patch azony ampiasaina, ...) sy ny rakitra .tbz2 tsotra izay mirakitra andiana "script" miampy ny fonosan’ny kirakira. Izany hoe io .tbz2 io no apetraka avy hatrany @ milina (azo ampitahiana @ .rpm n a.deb).

Misy baiko anankiroa azo ampiasaina @ fametrahana fonosana:
-  ebuild
-  emerge

Ireo baiko ireo dia miandraikitra ny fitantanana ny fiankinana @ kirakira hafa izay tsy maintsy apetraka alohan’ny ametrahana kirakira iray (d�endance). Azo ampitahaina @ urpmi (Mandrake), apt-get (Debian), yum (Redhat/Fedora).

Tsy ny fiankinana @ kirakira hafa ihany no mampiavaka an’ny portage, fa ao koa ny:
-  saina USE:
Ho an’ireo izay efa mpanao compilation dia mahafantatra tsara ny ./configure sy ny safidy apetraka miaraka aminy. Ny USE no mitantana azy io ary tombony lavitra no azo raha oharina @ rpmbuild (fanaovana fonosana .rpm) na dpkg-build (fanaovana fonosana .deb). Maka ohatra iray isika: fanaovana fonosana php izay mahazaka ny fitantanana IMAP sy MySQL

  • compilation avy @ source:

    ./configure --with-imap --with-mysql
  • compilation @ rpmbuild:
    Tsy maintsy manokatra ny rakitra php.spec sy mijery ny andalana misy ny ./configure ary manampy izany raha toa tsy ao. Raha efa izany vao manao ny baiko rpmbuild -ba php.spec
  • compilation @ Gentoo Linux:

    USE="mysql imap" emerge -v php

Ny baiko emerge -pv dia manome ny saina USE rehetra azo ampiasaina.

-  saina CFLAGS, CHOST, CXXFLAGS: ireto dia safidy mikasika ny compilateur tahaka ny gcc


cat /etc/make.conf
CFLAGS="-O2 -mcpu=i586 -fomit-frame-pointer"
CHOST="i586-pc-linux-gnu"
CXXFLAGS="${CFLAGS}"

-  saina FEATURES: famaritana ny asa ataon’ny portage tahaka
oh:

cat /etc/make.conf
FEATURES="buildpkg gpg strict maketest"

SafidyFanazavana
buildpkgmametraka ny fonosana sy mitazona ny fonosana compil�ao @ /usr/portage/packages/
gpg strict maketestmanamarina ny sonia gpg n’ny source

-  saina PORTAGE_BINHOST: aiza ny toerana hangalana ny fonosana compil� Ho an’ny mpitantana milina mampiasa Gentoo Linux maro dia afaka mametraka mpizara fonosana iray ary ny milina ambony dia maka ny fonosana ao @ io mpizara io daholo.

Mbola maro be ny saina azo ampiasaina fa azo jerena ao @ man make.conf ny sisa.

Fitantanana ny Distribution

-  Fitantanana ny fonosana rehetra:


emerge -v sync

-  Fanaovana mise �jour ny Distribution:

emerge -v system

na ihany koa

emerge -v world

-  Fitantanana ny lavaka @ kirakira:
glsa-check izay azahoana mametraka avy hatrany ny vahaolana. Afaka ampiasana ao anaty cron ohatra dia manitsy ny tsy mety.
-  Fitantanana ny famaritana ny fiasan’ny kirakira (Configuration)
  • ny directory /etc

Ny service rehetra dia azo amboarina avy ao @:

  • ny rakitra /etc/rc.conf (taratra kely avy @ BSD)
  • ny directory /etc/conf.d/ (mbola avy @ BSD ihany)

Rehefa manao mise �jour dia mety hisy fiovana ny rakitra mikasina ny famaritana ny fiasan’ny kirakira (fichier de configuration). Gentoo Linux dia manana ny baiko etc-update izay miandraikitra izany. Izany hoe tsy voahitsaka avy hatrany ireo rakitra ireo fa anjaran’ny mpitantana ny manao izany. etc-update dia miantso baiko tahaka ny diff, vimdiff azahoana mampitaha ny rakitra.

Jereo man etc-update,/etc/etc-update.conf,man make.conf, ny momba ny variable d’environnement

-  Azo atao ihany koa ny mametraka ny rpm sy ny dpkg

Init

-  ny runlevel dia tsy voafetra ho 6 tahaka ny @ distribution Linux hafa, fa azo ampiana sy amboarina hanaraka ny fampiasana milina:

  • /etc/runlevels/
  • baiko rc-update no hitantanana ny runlevel

-  ny service dia ny baiko start-stop-daemon avy @ GNU/Debian no mandefa azy
-  ny service dia mandeha milahatra arakaraky ny fiankinany @ service hafa.
oh: ny service postfix (smtp) dia miankina @ service network (net)


cat /etc/init.d/postfix
...
depend() {
       need net
       use logger dns
       provide mta
}
...

-   Fametrahana Gentoo Linux
-  Documentation
-  Fangalana Gentoo Linux
-  Fangalana Gentoo Linux @ torrents
-  Gentoo Linux 2004.3

Toy izay no azo lazaina @ ity fanazavana fohy sy voafintina mikasika an’ny Gentoo Linux ity.

Atonta Atonta (dinika)  Omeo ny hevitrao
© 2004, linuxmg.org