Sokajin-dahatsoratra
o Tonony tsara ny hoe "Linux"
o Logiciel Libre
o Loharano
o Boky, Magazine
o Linux & Industrie
o Madagasikara
o Tantaran'i Linux
o Distribution
o Hardware
o Software
o Office
o X-Window

Rohy samihafa
/
http://www.amul.mg/
http://www.linuxfr.org/
Software::Fonosan-tahiry

Mitovy sokajy
K3b: fanoratana CD/DVD
Surfraw - fitadiavana eto @ tranok’ala
Konqueror: sftp / fish
Flash Player 7
Package Manager

Nalefan'i Rado tamin'ny 6 février 2002

Maro ireo fonosan-tahiry ("package") azo ampiasaina ary mielim-patrana ho an’ny GNU/Linux. Hisy andiany telo ity lahatsoratra ity:
-  ny tapany voalohany dia hitanisa sy hanazava ny fampiasana sy fanaovana ireo "package" misy
-  ny tapany faharoa dia hitanisa ireo "frontend" [surcouche graphique] sy ny fampiasana azy ireo
-  ny andiany farany dia hanazava momba ny "package" rpm, deb, slp

TAR

"tar" dia "soft" natao hanaovana sy hikarakarana ny tahiry "tar". Ny tahiry dia rakitsoratra iray [file, fichier] izay mitahiry rakitsotra maro. Ny tahiry "tar" dia tsy voafintina [not compressed, non compress�. Ireo Unix rehetra (Linux, *BSD, MacOS X, ...) dia ahitana "tar" avokoa. Eny fa na dia ireo "soft" tahaka ny WinZip (mandeha amin’ny Windows) sy Stuffit Expander (mandeha amin’ny MacOS 9.2 midina) dia afaka ny manokatra tahiry "tar" avokoa.

Fampiasana ny tar

-  fanaovana tahiry "tar": tar -cvf tahiry.tar file1 file2 fileN ... na tar -cvf tahiry.tar file1 directory

Ity dia manangona ny file1 ... file3 ho ao anaty tahiry tahiry.tar.

c: create; v: verbose; f: file
-  famahana tahiry "tar": tar -xvf tahiry.tar

x: extract
-  Update [Mise �jour]:

tar -u file1 ...fileN tahiry.tar

Eto isika dia manao "update" ny "file1" izay efa ao amin’ny tahiry.tar.

-  Listry ny rakitsoratra ao anaty tahiry tar:

tar -t tahiry.tar

t: list

Jereo ny man tar ho an’ireo izay te-halala misimisy kokoa.

Araka ny voalaza tery ambony, ny rakitra tar dia tsy voafintina. Mba ahazoana fonosan-tahiry maivan-danja dia afaka mampiasa ny gzip na bzip miaraka amin’ny tar. Ny bzip2 dia mahafintina bebe kokoa raha hoarina amin’ny gzip

.

GZIP

Gzip dia mampiasa ny "algorithm Lempel-Ziv (LZ77)". Nosoratan’i Jean-Loup Gailly izy ity noho ny "patent" ["brevet"] misy amin’ny "compress" izay mampiasa ny "algorithm LZW" an ’ i UNISYS sy IBM.

Fampiasana ny gzip/gunzip
gzip dia mamintina rakitsoratra ary manampy tovana .gz amin’ny rakitsoratra. Ny gunzip kosa dia mamaha ny rakitsotra.gz.
Fampiasana ny tar/gzip/gunzip
Araka ny voalaza tery ambony dia fanao matetika ny mampiaraka ny tar sy gzip izay azahoantsika rakitsoratra .tar.gz na .tgz.
-  fanaovana tahiry "tar.gz" na ".tgz": tar -czvf tahiry.tar.gz file1 file2 fileN ... na tar -czvf tahiry.tar.gz directory

z: gzip
-  famahana tahiry "tar": tar -xzvf tahiry.tar.gz na tar -xzvf tahiry.tgz

x: extract; z: gunzip

Tahaka ny "tar" dia azo sokafana amin’ny WinZip(MS Windows) na Stuffit Expander(MacOs) ny tar.gz.

BZIP2

Bzip2 dia mampiasa ny "algorithm Burrows-Wheeler". Ny takilan’i bzip2 dia ahitana ny bzip2 miodina amin’ny milina mampiasa *BSD, Solaris, MacOS, MS Windows ... .

Fampiasana ny bzip2/bunzip2
bzip dia mamintina rakitsoratra ary manampy tovana .bz2 amin’ny rakitsoratra. Ny bunzip2 kosa dia mamaha ny rakitsotra.bz2.
Fampiasana ny tar/bzip2/bunzip2
Araka ny voalaza tery ambony dia fanao matetika ny mampiaraka ny tar sy gzip izay azahoantsika rakitsoratra .tar.bz2 na .tbz2.
-  fanaovana tahiry "tar.bz2" na ".tbz2": tar -cjvf tahiry.tar.bz2 file1 file2 fileN ... na tar -ckvf tahiry.tar.bz2 directory

j: bzip2
-  famahana tahiry "tar": tar -xjvf tahiry.tar.gz na tar -xjvf tahiry.tgz

x: extract; : bunzip2

ZIP

zip dia miodina amin’ny Unix, VMS, MSDOS, OS/2, Windows NT, Minix, Atari, Macintosh, Amiga ary Acorn RISC OS.

Fampiasana ny zip

-  fanaovana tahiry "zip": zip file.zip file1 file2 ... fileN
-  famahana tahiry "zip": unzip file.zip

Jereo ny man zip.

ZIP vs TAR.GZ vs TAR.BZ2


-  Hafainganan’ny famintinana: bzip2 > gzip > zip
-  Faherezan’ny famintinana: bzip2 > gzip > zip
-  Fitantanana fahasimbana: tar > zip: ny tar dia mbola azo sokafana na dia misy rakitsoratra tsy nety ary tao anatiny. Ho an’ny zip kosa dia very ary tsy azo sokafana intsony raha misy rakitsoratra simba tao anatiny.

COMPRESS

Compress dia mampiasa ny "algorithm Lempel-Ziv" ary manampy tovana .Z ho an’ny tahiry. Azo ampisaina miaraka amin’ny tar izy

Fampiasana compress

-  famintinana rakitsoratra: compress file1
-  famahana tahiry: uncompress tahiry.Z

Atonta Atonta (dinika)  Omeo ny hevitrao
© 2004, linuxmg.org