Sokajin-dahatsoratra
o Tonony tsara ny hoe "Linux"
o Logiciel Libre
o Loharano
o Boky, Magazine
o Linux & Industrie
o Madagasikara
o Tantaran'i Linux
o Distribution
o Hardware
o Software
o Office
o X-Window

Rohy samihafa
/
http://www.amul.mg/
http://www.linuxfr.org/
Hardware::Konqueror & Protocoles & CD Audio

Mitovy sokajy
Linux @ Playsation 2
Mpanoratra CDROM SCSI
Mpanoratra CDROM

Nalefan'i Rado tamin'ny 26 février 2003

Tari-dresaka

Konqueror, avy amin’ny KDE, dia manana asa 2 :
-  Navigateur (browser)
-  Gestionnaire de fichier ( file manager)

Amin’ireo asany roa ireo dia mbola afaka mampiasa "protocoles" maro ankoatran’ny HTTP/S (Navigateur), FTP/SFTP, file (Gestionnaire de fichier) Konqueror, tahaka ny imap, pop, smb (samba), nfs, ...., ary audiocd. Hijery ity farany ity no tanjon’ity lahatsoratra ity. Ny zavatra voalaza eto ambany dia mandeha mamboka @ KDE 2.2, ity lahatsoratra ity dia nandramana t@ KDE 3.1

AudioCD

Ny tanjona dia ny ahazoana maka ny "piste" (.cda, .wav) izay tiana avy amin’ny CD Audio. Azo atao koa ny tonga dia mandray ny "piste" ho fichier ogg na mp3. Tsara ny manamarika fa noho ny brevet misy @ mp3 dia tsy azon’ny Distribution Linux na *BSD atao ny mizara an’i KDE izay afaka mamadika avy hatrany CD Audio ho mp3. Noho izany dia mila miverina manao "compilation" ianao raha te-ahazo mp3. Ny famoahana .ogg kosa dia tsy mila afa-tsy ireo package libogg sy libvorbis izay tokony efa mipetraka raha vao mamaetraka KDE ianao satria tafiditra ao anatin’ny zavatra ilain’ny KDE ireo.

Configuration CDROM/DVD

Alefao kcontrol >> Son >> Audiocd >> Configuration CD:
fidio ny toerana misy ny CDROM na DVD hamakiana ny CD Audio (azonao jerena ao @ /etc/fstab raha tsy fantatrao)

Kcontrol: configuration CD
Kcontrol: configuration CD

Configuration CDDB

kcontrol >> Son >> Audiocd >> Configuration CDDB

Kcontrol: configuration CDDB
Kcontrol: configuration CDDB

Configuration Ogg Vorbis

kcontrol >> Son >> Audiocd >> Configuration Ogg Vorbis

Kcontrol: configuration Ogg Vorbis
Kcontrol: configuration Ogg Vorbis

audiocd:/

Alefao konqueror ary soraty eo @ URL ny hoe audiocd:/. Ireo .cda dia ny "piste" ao @ CD Audio.

Konqueror: audiocd:/
Konqueror: audiocd:/

Ireo zavatra hita ireo dia tsy mbola misortara ao @ "disque dur", noho izany mila mandika izany ao anatin’ny repertoire iray.

Fangalana Ogg Vorbis

Manaova copier/coller na glisser/d�oser.

Konqueror: audiocd:/ogg vorbis
Konqueror: audiocd:/ogg vorbis

Konqueror: audiocd:/ogg vorbis
Konqueror: audiocd:/ogg vorbis

Konqueror: audiocd:/ogg vorbis
Konqueror: audiocd:/ogg vorbis

Fangalana .wav

Ny .wav dia ilaina raha toa ka hanao gravage.

Konqueror: audiocd:/ wav
Konqueror: audiocd:/ wav

Famaranana

Hitantsika @ izao fa matanjaka tokoa ny Desktop tahaka an’i KDE ary tsy mena-mitahy @ Desktop izay misy @ OS (oh: Microsoft Windows sy ny Explorer -ny) hafa izay dradradraina fa mora ampiasaina sy tonga lafatra nefa tsy feno tahaka ny Linux+KDE na BSD+KDE.

Amin’ny manaraka isika dia mbola hijery ny zava-bitan’ny Konqueror.

Atonta Atonta (dinika)  Omeo ny hevitrao
© 2004, linuxmg.org