|
Mitovy sokajy
|
| Konqueror & Protocoles & CD Audio
|
| Linux @ Playsation 2
|
| Mpanoratra CDROM
|
|
|
|
Nalefan'i Rado tamin'ny 4 décembre 2001
|
|
Mora kokoa ny fametrahana mpanoratra CDROM SCSI noho ny IDE, izay hitantsika tao amin’ny lahatsoratra Mpanoratra CDROM.
Mora tokoa izany satria ny hany ilaina fantarina dia ny anaran’ny "module" (raiso ho toy ny hoe "driver") izay ilain’ny "carte SCSI" hifatoran’ny mpanoratra CDROM SCSI. Matetika izy io dia hitan’i Linux mandritra ny fametrahana. Raha tsia dia jereo ato ny anaran’ny "module" mifandraika amin’ny "carte SCSI" izay hananana.
/etc/modules.conf
Rahe efa izany dia ampidiro ao amin’ny /etc/modules.conf ny andalana hoe:
alias scsi_hostadapter module
oh: alias scsi_hostadapter dc395x_trm
ho an’ny "carte" TEKRAM DC395U/UW/F.

/etc/fstab
Mba ahafantarana ny adiresin’ny mpamaky na mpanortara CDROM SCSI dia soraty ny "commande":
dmesg|grep scsi Io amin’ny sary ny valin’izany.

Araka ny sary eo ambony dia:
/dev/scd0 izany ny mpamaky (mifanandrify amin’ny sr0)
/dev/scd1 ny mpanoratra (mifanandrify amin’ny sr1)
Noho izany toy izao izany ny /etc/fstab

|
|
|